Sport

Minisitra Tinoka Roberto Nandray an’ireo filohana federasiona sy ny “Makis junior feminine”


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Rehefa avy nandray an’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena vehivavy zandriny Malagasy amin'ny taranja Rugby “Makis junior feminine” notarihan’ny filohan’ny federasiona,

 

Rakotomalala Marcel, izay hihazo an'i Afrika Atsimo handray anjara amin'ny lalao '' RUGBY AFRICA WOMEN’S CUP 2019'' “Coupe d'Afrique des Nations Féminine”, ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Atoa Tinoka Roberto , notronin'ny Tale Jeneralin'ny fanatanjahantena, Rosa Rakotozafy, tamin’ny  talata 06 aogositra 2019 lasa teo ka nanome tso-drano sy vatsin-dalana ho azy ireo sy mbola nampanantena “prime” ho azy ireo indray rehefa miverina an-tanindrazana ry zareo ka mitondra amboara ho voandalana dia nandray an’ireo filohana federasiona Malagasy izay nandray anjara tamin'ny lalaon'ny Nosy farany teo,ka nanao jery todika mahakasika ny zava-bita sy ny vokatra azo niaraka tamin’izy ireo nandritra ny lalaon'ny Nosy andiany faha-folo iny nandinika indrindra koa izay mety ho fanatsarana rehetra tokony hatao amin’ny manaraka. Voaresaka tao ihany koa ny mahakasika ny fankasitrahana homena an’ireo atleta izay nahazo medaly rehetra. Nampirisika ny rehetra hiezaka hatrany sy ho saropiaro amin'ny vokatra azo ny minisitra nandritra ity fihaonana ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT