Sport

Minisitra Tinoka Roberto Efa manana teti-bola hanohanana ny Barea ny MJS


  • Talata 04 Jona 2019

Tetsy Mahamasina tamin’ny fanatrehany lalao famaranana ny Telma Coupe de Madagascar 2019 tamin’ny alahady 02 jona 2019 teo no nilazan’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy,

 

Tinoka Roberto, fa efa ao anatin’ny teti-bolan’ny ministera tantanany (MJS) ankehitriny ny hoenti-manana hanohanana ny ekipan’ny Barean’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny CAN Egypte 2019. Efa hitsangana tsy ho ela ihany koa, hoy izy,  ny “Commission  Tripartite” hifandrimbonan’ny Mjs sy ny “Comité de normalisation Fmf” ary ireo eo amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fandrindrana izany fanohanana izany. Nohamafisin’Atoa Benony Jacques tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety taorian’io famaranana ny Telma Coupe de Madagascar io  izany resaka ho fitsanganan’ny “Commission Tripartite” amin’ny fanohanana ny Barea izany saingy nambarany kosa fa samy manangona izay  tandrify azy avy aloha ny   tsirairay vao hatambatra ao amin’io kaomisiona io ny fitsinjarana azy.

Mikasika ny lalao famaranana nifanandrinan’ny Cnaps Sport sy ny Fosa Juniors kosa dia nambaran’Atoa ministra fa nahafinaritra ny lalao nasehoan’ny roa tonta indrindra ny Fosa nibata ny amboara izay niezaka nampilalao an’ireo mpilalao tanora eo aminy ka mahavelom-bolo ny ho avin’ity ekipa ity amin’ny hiatrehany ny fifaninanana Afrikana ho avy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT