Sport

Minisitra Randriamandranto mpiahy ny Atletisma Nanolotra 10 tapitrisa ar ho an’ireo atleta manomana ny JIOI


  • Talata 09 Aprily 2019

Amin'ny maha minisitra mpiahy ny taranja atletisma ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola dia tonga nijery ny fanazaran-tenan'ireo atleta hiatrika ny JIOI 2019 miisa 41 (16 vehivavy ary 25 lehilahy izay mizarazara ao antin'ny 100m-400m-1000m-1500m- ary semi-marathon)

 

 


  teny amin’ny kianjan'Alarobia tamin’ny zoma faran’ny herinandro lasa teo ny minisitra  Randriamandranto Richard. Nihaino ny hetahetan'ireo atleta izy tamin’izany ary nanome tosika ara-moraly sy ara-bola azy ireo ka 10 tapitrisa ariary no natolony ho an'ireo Atleta mba hanatanterahan'izy ireo ny fanazaran-tenany amin’ny an-tsakany sy an-davany. Iraisan'ny minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola amin'ny minisitry tanora ny fanatanjahantena, Atoa Tinoka Roberto ny fametrahana ho raharaham-pirenena an'io lalaon'ny Nosy 2019 hotontosaina atsy Marosisy io raha ny nambarany. Manana atleta mahay sy matanjaka  i Madagasikara ka rariny raha mahazo tohana amin’ny fanjakana,  hoy izy. Nambarany ihany koa fa mijery ny mpanao fanatanjahantena Malagasy ny fanjakana tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ka  ny fananganana ny Akademiam-pirenena ho an’ny  fanatanjahantena dia hametraka amin’ny toerana ambony ny atleta Malagasy tsy ankanavaka. Marihina fa voalohany hatrany i Madagasikara eo amin’ny  taranja Atletisma teo amin’ny lalaon'ny Nosy nanomboka ny taona 2007 natao teto Madagasikara, 2011 tany Seychelles  ary ny 2015 tany La Réunion. Any amin’ireo atleta, araka izany, ny baolina amin’ny hitondrana medaly maro miverina aty an-tanindrazana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT