Minisitra Abdulah Marson Moustapha

"Atao laharam-pahamehana ny kianja Barea"


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Nivoaka tamin'ny fahanginany sahady ny minisitry ny Fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha

ka nilaza fa ho ataony laharam-pahamehana ny ahazoan'ny kianja Barea fankatoavana avy amin'ny CAF. Tena tsara izany satria niteraka fatiantoka lehibe ho an'ny baolina kitra malagasy io sazy io.Sarotra tamin'ireo klioba sy ny Barea izany mandray an-tanin'olona izany. Mitombo be rahateo ny vola lany. Manginy fotsiny ny tsy fahitan'ireo mpitia kitra lalao eto an-toerana.Izany rehetra izany no mahatonga hiteny hoe tena tsara raha izay no laharam-pahamehana ho an'ity minisitra avy any Mahajanga ity.Saingy mba afaka manakana ny politika ve izy ka hiteny hoe tsy azo hanaovana fety ny kianja fa ny baolina irery ihany ? Ho hita eo ny tohiny fa raha mbola zatra ny lalan-dririnina aloha dia aleo manamboatra saina dieny izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT