Sport

Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Mirary ny Barea “ho lasa faran’izay avo”


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Manoloana ny loza niseho omaly alahady 9 septambra maraina teo Mahamasina izay namoizana ain’olona iray sy naharatrana am-polony maro, dia namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

 

 

Mirary fahasitranana feno ho an’ireo tra-boina ary maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny mana-manjo. Misaotra ny mpitia baolina kitra rehetra tonga marobe, ny Malagasy mpakafy baolina kitra izay naneho fahatoniana sy fahendrena ka nanohana ny ekipa malagasy nandritra ny lalao. Fanohanana izay mahatonga ny mpanao fantanajahantena hanome izay faraheriny, hoy ny fanambarana. Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny Barean’i Madagasikara nitondra avo ny voninahi-pirenena ihany koa ny minisitera ka nahazoana iny vokatra 2 sy 2 iny manoloana ny ekipa mpanao Mondial. Mirary hatrany ny Barea ho lasa faran’izay avo amin’ity fifanintsanana ity ary handresy hatrany.

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT