Tao anatin’ny lanonana fifampiarahabana nifanaovan’ny fianakaviamben’ny minisiteran'ny Tanora sy Fanatanjahantena Malagasy sy ny mpisehatra rehetra eo anivon’ny minisitera (ny mpiara-miasa, ny mpiara miombon'antoka, ny tanora, ny atleta, ny Federasiona, ny antanatohatra rehetra...)
teny amin’ny A & C Ivato, ny zoma 11 janoary teo, no niarahaban’ny minisitra Tsihoara Faratiana ny vahoaka Malagasy nahatratra ny taona 2019 sy
nahatontosa am-pahamendrehana ny fifidianana filoham-pirenena ary miarahabany manokana koa ny filoha Andry Nirina Rajoelina izay Filoham-pirenena voafidin’ny maro an’isa Malagasy. “Mirary soa sy fahombiazana ho azy eo am-panatanterahana izany adidy Masina izany”, hoy izy. “Fito volana katroka amin’ity andron’ny11 janoary 2019 ity no nitarihako an’ity minisitera ity , hoy izy, toa fohy kanefa lava izany raha ny andraikitra napetraka tamin’io governemanta misy ahy io nanatanterahana ny fifidianana”. Nambarany koa fa namela zavatra vitsivitsy hovantanin’ny tompon’andraikitra ho avy handimby azy eo izy, indrindra ny fanomanana an’ireo fifaninanana iraisam-pirenena toy ny lalaon’ny nosy izay goavana indrindra amin’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.