Sport

Minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy Vita omaly teny Ivato ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2019


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Tao anatin’ny lanonana fifampiarahabana nifanaovan’ny fianakaviamben’ny minisiteran'ny Tanora sy Fanatanjahantena Malagasy sy ny mpisehatra rehetra eo anivon’ny minisitera (ny mpiara-miasa, ny mpiara miombon'antoka, ny tanora, ny atleta, ny Federasiona, ny antanatohatra rehetra...) teny amin’ny A & C Ivato,

 

 

omaly zoma 11 janoary,  no niarahaban’ny minisitra Tsihoara Faratiana ny vahoaka Malagasy nahatratra ny taona 2019 sy 

nahatontosa am-pahamendrehana ny fifidianana filoham-pirenena ary miarahabany manokana koa  ny filoha Andry Nirina Rajoelina izay Filoham-pirenena voafidin’ny maro an’isa Malagasy.  “Mirary soa sy fahombiazana ho azy eo am-panatanterahana izany adidy Masina izany”, hoy izy. “Fito volana katroka amin’ity andron’ny11 janoary 2019 ity no nitarihako an’ity minisitera ity , hoy izy, toa fohy kanefa lava izany raha ny andraikitra napetraka tamin’io governemanta misy ahy io nanatanterahana ny fifidianana”.  Nambarany koa fa namela zavatra vitsivitsy hovantanin’ny tompon’andraikitra ho avy handimby azy eo izy, indrindra ny fanomanana an’ireo fifaninanana iraisam-pirenena toy ny lalaon’ny nosy izay goavana indrindra amin’izany.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT