Sport

Minisiteran’ny fanatanjahantena Manambana koa ny sendika


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Nanambara tetsy amin’ny ANS Ampefiloha koa omaly ry zareo avy eo anivon’ny SynAF MJS na ny sendikan’ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena fa tsy hanaiky

intsony ny fanaovana an-kilabao ireo tekinisianina izay tena nianatra momba ny tontolon’ny tanora sy fanatanjahantena ao amin’ity minisitera ity. ireo nandany ron-doha nandritry ny 2 sy 3 taona indray no tsy mahazo toerana, hoy ny filoha nasionalin’ny sendika, Simon Cyriaque. Tsy mahagaga raha tsy mandeha ny fitantanan-draharaha satria olona tsy manana fahaiza-manao no raisina ary ao vao manomboka mianatra asa. Misy efa za-draharaha (expert) amin’ny resaka tanora sy fanatanjahantena izay nivoaka tamin’ireo sekoly ambony toy ny akademiam-pirenena ka mangataka ny minisitra tompon’andraikitra mba hamaha olana. Tamin’ity fitondrana ity moa, raha ny fitarainan’ny filohan’ny SynAF MJS no tena nirongatan’io fanilihana tekinisianina io.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT