Sport

Minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Tetikasa fito nahazo famatsiambola, nisokatra omaly ny fiofanana Confejes


  • Talata 15 Desambra 2015

Nosokafana omaly ny fiofanana misy lohevitra efatra mahakasika ny tanora hatao ny 14-18 desambra eny amin’ny Le Pave Antaninarenina. Mahasahana sehatra maro ny fiofanana toy ny “paikady famolavolana tetikasa eny anivon’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena”, “fiofanana mikasika ny fitantanana hetsika ara-panatanjahantena”,

 “fiofanana mikasika ny proffessorat de loisirs” ary “fiofanana ho an’ireo mpampiofana misahana ireo fitaovana ilaina amin’ny fampianarana mahakasika ny fandraharahanasa ho an’ireo tanora (PPEJ)”. Nozaraina omaly koa ireo taratasimbola ho an’ireo tanora manana tetikasa madinika ka fito mianadahy avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara no nanjifa izany ary tetikasa samihafa mahakasika ny fambolena, fiompiana, asa-tanana,… izy ireo. Ankoatry ny fanofanana dia misy ny fanarahamaso ny tetikasa ka misy komity manokana manaramaso izany. Nanatrika ny fotoam-panokafana omaly ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet sy ny sekretera jeneralin’ny Confejes, Ali H. Bourama ankoatra ireo mpampiofana samihafa avy amina firenena maro. Tombony ahazoantsika fanohanana tetikasa toy izao ny maha filohan’ny CJSOI ny minisitry tanora sy fanatanjahantena malagasy. Ny fanavan-tsonia fifanarahana nandritra ny fivoriana tamin’ny volana aogositra teo tany la Reunion no nahazoantsika izao fiofanana izao izay mifantoka amin’ny taona 2015 sy 2016. Fantatra koa fa hatao eto Madagasikara amin’ny volana marsa 2016 ny andiany fah-38 amin’ny fivorian’ny Confejes izay saika hatao any Mali.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT