Samy nahazo anjara fitenenana avokoa ireo tale eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena nanao tatitry ny zava-bitany ny alarobia teo.
Nivoitra tamin’izany fa sekolin’ny fanatanjahantena 27 no efa voatsangana manerana ny nosy. Ankoatra izay dia mpanabe sy mpanazatra 50 no efa voaofana hitantana izany izay miparitaka manerana ny nosy. Efa tafatsangana tamin’ny fiandohan’ity taona ity koa ny federasiona misahana taranja maro (omnisport) izay mipaka hatreny amin’ny sekoly ka minisitera efatra no miara-misalahy ao anatin’io federasiona io ahitana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny fanabeazam-pirenena, ny fiofanana ara-teknika, ny fahasalamana ary misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo federasiona nasionaly. Hapetraka tsy ho ela ny fifaninanana eny anivon’ireo kilasy, sekoly hatramin’ireo rafitra isam-paritra sy nasionaly.
Hefaina ireo trosa…
Ho an’ny sekretera jeneralin’ny minisitera dia fivoaran’ny famolavolana ny politika nasionalin’ny fanatanjahantena no nanaovany tatitra. Ny fakan-kevitra no efa vita ary narahina fikaonandoha niaraka tamin’ireo ratsamangaika rehetra voakasiky ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena. Ny 12 jona izao no haroso holaniana eny amin’ny Anteninieram-pirenena ny fandaniana azy io ho lasa lalàna. Mikasika ilay tetikasa fianarana sy fanatanjahantena etsy amin’ny ANS Ampefiloha dia mizotra miandalana ary tsy haato velively akory na dia eo aza ny fisedrana olana ara-bola noho ny fametrahana laharam-pahamehana ny fiatrehana ny Lalaon’ny nosy. Atleta 72 izao noraisina ary manaraka fiofanana ho an’ity taona ity ka taranja telo dia ireo tena mampamiratra an’i Madagasikara no vao nampidirina dia ny tsipy kanetibe, kick ary ny savate boxe. Nampanantena koa io tomponandraikitra io fa haloa amin’ny herinandro ny trosan’ny tabin-karaman’ireo mpampiofana.
CJSOI eto amintsika
Mikasika ireo fifaninanana iraisam-pirenena voalahatra ho an’ity taom-pilalaovana ity araka ny tetiandro eo am-pelatanan’ny minisitera dia anisan’ireo voatonona tamin’izany ny tenisy, karate, baolina kitra, atletisma, tenisy ambony latabatra, tolona, tsipy kanetibe, afrobasket, ny rugby vehivavy ary ny handisport. Anisan’ny nanaovana tatitra ihany koa ny vokatry ny fihaonamben’ireo manampahaizana mikasika ny tanora natao teny Ivato ny 20-22 mey teo ka nivoitra fa hatao eto Madagasikara ny andiany fah-10 manaraka amin’ny lalaon’ny CJSOI ny taona 2016. Taranja dimy no hifaninanana amin’io dia ny atletisma, baolina kitra zazavavy ho an’olona fito, ny hand-ball zazalahy, judo, tenisy ambony latabatra lahy sy vavy. Nambaran’ny minisitra ihany koa fa mpiofana navoakan’ny ANS miisa 145 no hahazo asa sy toerana tsy ho ela fa ny sonia eny anivon’ny minisiteran’ny tetibola sisa andrasana. Ho an’ny Tafita dia ny fanomanana ny lalaon’ny nosy no tena nibahana. Halefa anio any amin’ny CIJ ny lisitra ofisialy faran’ny delegasiona malagasy. Efa an-dalam-panafarana koa ireo fanamiana sy fitaovana hiatrehana ny lalaon’ny nosy.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.