Sport

Minisitera – Fmf Nampahafantatra ny andraikitry ny ekipany vaovao i Ahmad


  • Alakamisy 08 Aprily 2010

Tonga nitsidika ny minisitra Ramamonjisoa Virapin tetsy Ambohijatovo omaly i Ahmad sy ny ekipany vaovao ary nampahafantatra ireo andraikitra isam-baomiera hosahanin’ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraka 11 mianadahy araka ny tapaka tamin’ny fivorian’izy ireo ny talata teo.

Ireto farany koa no hiara-hanendry ny tale teknika nasionaly (DTN) izay hanankinana fandaharan’asa fanamby. Tetsy an-kilany ny minisitra dia niarahaba sy nitsodrano ireto ekipa vaovao ireto ary nanipika fa “nomena ny fahalalahany ireo federasiona saingy tsy maintsy manaraka ny lalàna velona eto amin’ny firenena… Tokony hametraka tanjona arahina tatitry ny asa vita isaky ny enim-bolana na isan-taona ihany koa». Teboka telo koa no nangatahan’ny minisitra tamin’ny Fmf dia “ny fampandrosoana misimisy kokoa any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo teknisianina, ny fampiroboroboana ny sokajy zandriny amin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ny eny anivon’ireo sekoly ary ny fampakarana avo ny fahaiza-manaon’ny ekipam-pirenena izay fototry ny fanakianan’ny maro». Mbola naverin’ny minisitra fa tokony hosarahana tsara ny politika sy ny fanatanjahantena ary nampahatsiahivina fa mbola maro ireo federasiona tsy nanatitra ireo sata mifehy sy ny tetibolany eny anivon’ny minisitera hatramin’izao. Nanao tatitry ny diany tany ivelany koa ny minisitra izay tafahaona tamin’ireo tompon’andraikitra maro toy ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenen’ny judo, ny sekretera jeneralin’ny federasiona frantsain’ny atletisma ary ny filohan’ny Fifa, Blatter. Ho avy, hoy ny minisitra, ilay mpanazatra ny Barea ary efa nisy iray tamin’ireo nozahana mihitsy no nentina nijery ny toe-draharahan’ny kitra eto amintsika.

Hery Rabe
 
Komity mpanatanteraka sy ireo vaomiera
1-Ahmad : Filoha
2-Andriamiasasoa Doda : Filoha lefitra 1, filohan’ny vaomieran’ny fifaninanana (COC)
3-Rakotomamonjy Neypatraiky : Filoha lefitra 2, filohan’ny vaomieran’ny fitantanam-bola (CF)
4-Andrianomenjanahary Brice : Filohan’ny vaomiera foiben’ny mpitsara (CCA)
5-Rasoanaivo Rado : Filohan’ny vaomieran’ny kitra zandriny (CFJ), filoha lefitra ny vaomiera teknika
6-Raobijaona Bruno : Filoha lefitra ny vaomieran’ny lalàna, filoha lefitra ny CCA
7-Rakotoarimino Théodore : Filohan’ny vaomieran’ny fitsaboana, filoha lefitra ny COC
8-Andriamalazaony Aurélien : Filohan’ny vaomieran’ny satan’ny mpilalao, filoha lefitra ny CF
9-Eliezard : Filohan’ny vaomiera teknika, filoha lefitra ny CFJ
10-Rajeriarison Patricia : Filohan’ny vaomiera kitra vehivavy, filohan’ny vaomieran’ny serasera sy varotra (CCM)
11-Rakotonirainy LG : Filohan’ny vaomieran’ny lalàna, filoha lefitra ny CCM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT