Sport

Minisitera – Fifidianana Voatendry ireo solon’ny Talem-paritra 22


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Voatendry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ireo lehiben’ireo komitim-paritra (comité local) hisolo ny toeran’ireo talem-paritry ny fanatanjahantena sy ny tanora eny anivon’ireo faritra 22.

Tsiahivina fa 17 tamin’ireo talem-paritra 22 manerana ny nosy no nosintonin’ny minisiteran’ny tanora sy ny alavoly hifindra lasy any aminy ary nahabanga ireo toerana ireo ka saika nampihisatra ny firosoana amin’ny fifidianana. Ireo teknisianina efa teny anivon’ireo sampandraharaham-paritra ihany no notendrena handrafitra sy hitantana ireo komitim-paritra izay hanara-maso ireo fifidianana isan’ambaratongany ireo. Mbola mampitarazoka ny firosoana amin’ny fifidinana kosa amin’izao fotoana na dia efa misasaka aza izao ny volana martsa raha nofaritan’ny minisitera fa ny 1 martsa ka hatramin’ny 29 mey no tokony hanatanterahana ireo fifidianana rehetra isan’ambarantongany (seksiona, ligy, federasiona) ny famolavolana ireo sata mifehy (statut) ho an’ireo taranja tsirairay. Mbola mila halefa hankatoavin’ny federasiona iraisam-pirenena moa io sata io vao hatolotra eny anivon’ny minisitera. Amin’ny lafiny iray anefa dia mbola mila laniana amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny federasiona (Assemblée générale extraordinaire) vao ampiharina sy ampiasaina ilay sata vaovao. Lasa mifampiandry tsy afa-miroso amin’ny fifidianana, araka izany, ireo rafitra isan’ambaratongany amin’ny taranja tsirairay nefa ny fotoana mandroso. Tokony hampahafantarina mazava amin’ireo rafitra mpitantana taranjam-panatanjahantena koa anefa ireo olom-boatendrin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena tokony hatonina amin’izao fikarakarana fifidianana izao.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT