Sport

“Mini festival des arts martiaux” Manana talenta haiady ny tanoran’i Toamasina


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Nanomana “Mini festival des arts martiaux” tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita, ireo mpikatroka haiady Malagasy tao Toamasina ny zoma 25 jona teo.

Taranja haiady 13 no nandray anjara tamin’izany, nahitana ny karaté, aikido, taekwondo, kapoera, AMTN, tolona, kung-fu wisa, ny kung-fu wusu, gakama, muay-thai, kick-boxing, Aska karaté, boxe...

Nanana 30 minitra nanehoana ny talentany avokoa ireo taranja haiady nandray anjara rehetra ireo, nandritra ny hetsika natao. Samy nampiseho ny fahaizany avokoa izay nahavariana ny niatrika izany, ka maro no loabolana fa “mahay haiady ny Malagasy ary mora ampitana fahaizana ihany koa momba ity haiady ity ny tanora”. Angady nananana sy vy nahitana izao fikarakarana “mini festival des arts martiaux” izao ny sensai Randriamahaleo Victor tepana mainty 3e Dan, mpikatroka karate shotokan, efa im-pito tompondakan’i Madagasikara, efa nahazo ny tompondakan’i Afrika ary medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara.
Ny fananganana ny fikambanan’ny mpikatrika haiady ao Toamasina ny tanjona manaraka ho azy ireo amin’izao fotoana izao. Raha tsy miova ny fandaharam-potoana dia ny volana jolay izao no hatsangana izany. Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny haiady ao Toamasina, ary ny fampirisihana ny tanora hiditra eny anivon’ireo klioba, satria sady fitaizana vatana sy ny saina ny haiady no fiarovan-tena tsara ihany koa na ho an’ny tena na ny hafa. Eo koa ny fanambarana ny herin’ny mpikatroka haiady hanamora ny fanampiana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT