Sport

«Mini Coupe du Monde» Voazara ireo ekipa isam-bondrona


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Notontosaina omaly tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny antsapaka nandrafetana ireo ekipa isam-bondrona amin’ilay fifaninanana baolina kitra ho an’olona fito ampisalorana ny anarana hoe : «Mini Coupe du Monde Hyundai » izay karakarain’ny orinasa Sicam miaraka amin’ny Orange Madagascar sy Galana ary eo ambany fiahian’ny federasion’ny kitra (FMF).

 Ny 24 aprily hatramin’ny 15 mey no hanatanterahana ny fifaninanana. Nampitoviana endrika tanteraka amin’ilay Mondial tena izy ny endriky ny fikarakarana ity fifaninanana ity. Orinasa 32 no handray anjara izay nozaraina vondrona 8 misy ekipa efatra avy ary nomena ny anaran’ireo ekipa 32 hiatrika ny Mondial atsy Afrika Atsimo sady homen’ny mpikaraka fanamiana mitovy amin’ny an’ireo amin’ny Mondial mihitsy. 2x20 minitra ny faharetan’ny lalao rehetra ankoatra ny famaranana izay 2x30 minitra. Ireo tena mpiasa avy amin’ny orinasa ihany ary tsy manana kara-pilalaovana no azon’ireo orinasa hajoro handray anjara. Maro ny loka hozarain’ireo mpikarakara sy mpanohana, anisan’izay ny tapakila ahazoana mankany Afrika Atsimo hijery Mondial. Nanambara koa ny Sicam mpikarakara izao hetsika izao fa ny Agence de voyages Mercure izay orinasa ao anatiny dia mivarotra tapakila ahafahana mihazo an’i Afrika atsimo sy ireo tapakila ahafahana mijery Mondial.

Hery Rabe
Jaojoby Eusèbe sy Rasoanaivo Rado ary Razafindrakoto Bruno no nanao ny antsapaka
 
Vondrona A:
Afrika atsimo (Sicam)
Meksika (Colas)
Uruguay (Ass. Aro)
Frantsa (Total)
 
Vondrona B:
Arzantina (Boa)
Nizeria (Sicam rent)
Korea atsimo (Jirama)
Grèce (Galana)
 
Vondrona C:
Angletera (NBM)
Usa (Bni)
Alzeria (Banky foibe)
Slovénie (Socota)
 
Vondrona D:
Alemainina (Assist Development)
Aostralia (Colis Express)
Serbia (Air Mad)
Ghana (Vorio Prochimad)
 
Vondrona E:
Pays Bas (Orange Mcar)
Danemark (Point Pacom)
Japon (Shell)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT