Sport

«Mini coupe du Monde» Hyundai Tapakila ho an’ny ekipa tompondaka sy ny olon-tsotra


  • Zoma 23 Aprily 2010


Efa vonona avokoa ny fanomanana rehetra mikasika ilay Mondial kely karakarain’ny Sicam sy Orange Madagascar. Ekipa 32 izay mitondra ny anaran’ireo ekipa tena izy hiatrika ny Mondial atsy Afrika Atsimo no hifaninanana amin’izany. Hanomboka ny sabotsy izao izy io ka tsy hifarana raha tsy ny 15 mey. Ny sabotsy izao ny lanonam-panokafana sy ny lalao fanokafana hihaonan’i Afrika Atsimo (Sicam) sy Mexique (Colas). Marihina fa baolina kitra ho an’olona fito izy io ka lalao 12 amin’ny kianja roa isaky ny sabotsy ary toy izay koa ny alahady no hotontosaina etsy Mahamasina ao anatin’ny faran’ny herinandro roa. Ny 8 mey no hanatanterahana ny ampahavalon-dalana sy ny ampahefa-dalana. Ny 15 mey ny manasa-dalana sy ny fiadian-toerana laharana fahatelo ary ny 15 mey ny lalao famaranana. Tsiahivina fa hotoloran’ny Sicam tapakilan’ny fiaramanidina, fiantranoana ary tapakila ahafahana mijery lalao iray any amin’ny Mondial any Afrika Atsimo ho an’olona roa ny ekipa tompondaka. Ankoatra izay, ny Orange dia mikarakara lalao Tombola sy lalao sms amin’ny sarany 500 ariary hatao antsapaka ary samy hahazoana tapakila mankany Afrika Atsimo.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT