Sport

Mini Coupe du Monde Hyundai Norombahan’i Ghana, Groupe Andriatsitohaina


  • Talata 18 Mey 2010


Nafana ny andro faran’ilay Mini Coupe du monde Hyundai natao tetsy Mahamasina ny sabotsy teo. Ekipa efatra no nanohy ny fifaninanana nanomboka teo amin’ny manasa-dalana izay namoaka ny ekipan’i Ghana (Groupe Andriatsitohaina) ho tompondaka rehefa nandavo an’i Mexique (Colas) 2-0 teo amin’ny famaranana. Raha ireo vokatra teo amin’ny ankatoky ny famaranana, ny Colas nanilika ny Danemark (Point Pacom) tamin’ny isa mazava 6-2 ary i Ghana nanintsana an’i Portugal (Ostie) 4-1. Teo amin’ny fiadian-toerana laharana fahatelo moa i Danemark nandresy an’i Portugal 4-1. Ny Groupe Andriatsitohaina izany no nandrombaka ilay amboara lehibe tamin’ity fifaninanana ho an’ireo orinasa ity sady nahazo ilay fiantohana mpilalao roa hanatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Afrika atsimo. Nanamarika ny fotoana ihany koa ny lalao nentina nanokafana ny famaranana nifanandrinan’ny ekipan’ny mpanao gazety sy ny Orange mpikarakara ka ireto farany no nivoaka nandresy tamin’ny isa 3-2 tamin’ny tirs au but raha sahala 1-1 ny isa hatreo amin’ny fe-potoana ara-dalàna.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT