Mik mak” tamin’ny lalaon’ny nosy

Handray fepetra ny federasionin’ny ady totohondry


  • Talata 09 Janoary 2024

Vita soamantsara ny tompondaka nasionalin’ny ady totohondry ny taona 2023 teo,

hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa. Ny tena goavana indrindra, hoy izy, dia ny nandraisantsika ny lalaon’ny nosy. Tsy nisy vehivavy moa fa dia hoe lehilahy ihany no afaka nampandraisina anjara. Sokajy miisa 11 ireo dia nahazo medaly daholo. Tokana ny volamena. Toy izany koa ny volafotsy ary alimo ny 9 ambiny. Marina fa nisy ny fanodinkodinana heno maro tao, tsy lojika izany hoe 9 lahy dia K.O daholo. Tanteraka ihany nefa na izany aza ny fanamby hoe tsy maintsy mahazo medaly daholo izy 11 lahy. Sambany tamin’ny lalaon’ny nosy izany ho an’ny taranja ady totohondry. Ny ratsy tamin’iny 2023 iny dia ny tsy nandehanan’i Madagasikara tany amin’ny fifanintsanan’ny lalao olaimpika tany Senegal, 2 andro taorian’ny lalaon’ny nosy. Mino sy manantena nefa fa amin’ny volana martsa dia mbola misy koa ny fifanintsanana ataontsika any Italia ary ny jona ny fifanintsanana ho an’ny tompondaka eran-tany any Thailand. Inoana sy antenaina fa handefa mpilalao i Madagasikara ary hanampy anay ny komity olaimpika malagasy sy ny minisitera. Manana fanantenana isika raha sokajy vehivavy ary mino sy manantena izahay fa tsy maintsy hisy ho tafakatra amin’ireo 3 vavy ho alefa any. Nisy sasany tamin’ireo mpikatroka tamin’ny lalaon’ny nosy no hitanay somary nanenina ihany ary nitomany mihitsy nandritry ny fandraisana marim-pankasitrahana na “prime” teny Iavoloha. Tsy nivaky moa ry zareo hoe iza no nanao “mik mak” tamin’ireny lalaon’ny nosy ireny fa ny fepetra noraisin’ny federasionina fotsiny dia ho entitra izahay manomboka izao mikasika ireo mpanazatra. Miisa 3 ihany no atao mpanazatra rehetra ohatran’ireny fa teo mba nantenaina hoe tanamaro kanefa isika malagasy tsy mba mahay miara-miasa. Efa fantatray daholo ireo tsiparifary anatin’ireo federasionina ireo ka handray andraikitra feno izahay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT