Mijanona ho mpanazatra

ny Barea i Corentin Martins


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

75% amin’ny karamany aloan’ny Fanjakana, 25% FMF

Nivaha ny olana eo amin’ny fanazavana ny ekipam-pirenena Malahasy eo amin’ny baolina kitra. Tontosa ny sabotsy 21 febroary teo ny fifanarahana tamin’i Corentin Martins hanohy indray ny asany, manamarika dingana vaovao ho an’ny Barea. Raha ny filazan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, dia tsy niova ny karama, saingy misy fanatsarana ara-teknika sy ara-pitantanana tafiditra. Ny Fanjakana no handray an-tanana betsaka amin’ny vesatra ara-bola (75%), ary ny FMF kosa hanampy amin’ny 25%. Manodidina ny 18 000 euros na 91,7 tapitrisa Ar isam-bolana eo moa ny karaman’i Corentin Martins, raha ny fahafantarana azy. Anisan’ny fanavaozana lehibe ny fanampiana mpanazatra mpanampy sy mpitsabo ara-batana ao amin’ny staff. Ireo no heverina fa hanamafy ny fahaiza-manao sy ny fahavononan’ny ekipa amin’ny fifaninanana lehibe. Ny fifanarahana dia herintaona ihany, saingy azo havaozina arakaraka ny vokatra. Tanjona lehibe ny hahazoan’i Madagasikara toerana amin’ny CAN 2027. Raha tratra izany, dia hisokatra indray ny fifampiraharahana eo amin’ny MJS, FMF ary ny mpanazatra. “Misy ady lehibe amin’ny fahazoana ny vokatra. Hiasa mafy izahay mba hahatratra izany,” hoy izy. Nanampy izy fa: “Ny mpilalao dia efa naneho zavatra mahaliana. Izany no mahatonga ahy mbola mitohy miaraka amin’ny Barea, satria nahita fahafinaretana niaraka tamin’izy ireo aho.”, hoy i Corentin Martins. Andrasana ny vokatra !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT