Sport

Mihorohoro amin’ny Barea i Afrika


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Nibata fandresena miezinezina tany an-tanin’olona ny Barean’i Madagasikara omaly, izay nanamontsana an’i Niger 6-2 tao amin’ny taniny.

 

 Noporofoin’ny Barea fa tsy kisendrasendra ny dingana lehibe vita tany amin’ny CAN 2019 tany Egypte. Mihorohoro aminy indray i Afrika, ary efa any amin’ny CAN 2021 any Kameronina ny tongotra ilany. Horakora-pifaliana saika nanerana ny Nosy no niainana halina.

Fararanom-baolina maty

Ny mpampiantrano anefa no nanokatra ny isa. Vao teo amin’ny minitra faha-6 dia nahafaty baolina tamin’ny alalan’ny “coup franc”  ny mpifanandrina. Teo amin’ny minitra faha-11, nosahalain’ny Barea tamin’ny alalan’ny tolotra nataon’i Voavy Paulin rehefa namitapitaka avy tany an-kavian’ny kianja nandatsaka tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana nifanjevoana, ary notsenain’i Bolida, ka matiny.  Nanao hadisoana indray ny Niger ka nahazo “Coup franc” nodakan’i Carolus notsenain’i Bolida ny Barea teo amin’ny minitra faha-26 ary maty. Teo amin’ny minitra faha-32 indray dia nahazo tolotra tsara i Carolus, saingy nanao fanohanana tsy nety tao anatin’ny faritra tsy azo nivalozana ny mpiandry tsatoby izay tratry ny karatra mavo, ka nahazo penalty ny Malagasy. Mora tamin’ny kapiteny Abel Anicet no namadika izany ho isa. Nitarika tamin’ny isa 4-1 isika teo am-pialana sasatra. Nofehezin’ny Malagasy ny lalao. Teo amin’ny minitra faha-53 dia nahazo tolotra tsara avy amin’i Amada i Voavy Paulin, namono ny baolina tamin’ny daka mandrivorivo. Nanindry hatrany isika. Nahafaty ny baolina farany i Morel tamin’ny alalan’ny “corner” teo amin’ny minitra faha-64. Nahafaty iray tamin’ny alalan’ny tolotolotra tsara rindra ny mpifanandrina teo amin’ny minitra faha-76, izay nanome ny isa 6-2 ka io no nisarahana.

Lohalaharana

Manana isa 6 ary voalohany ao amin’ny Vondrona K ny Barea amin’izao. Raha ny voka-dalao tao anatin’ny vondrona misy antsika mantsy dia resin’i Ethiopie 2-1 i Côte d’Ivoire, izay efa nandresy 1-0 an’i Niger, raha toa ka resintsika 1-0. Manana isa 6 i Madagasikara, isa 3 mitovy ny an’i Côte d’Ivoire sy Ethiopie, ary 0 kosa ny an’i Niger. Ny 31 aogositra 2020 ny lalao manaraka hifandonantsika amin’i Côte d’Ivoire.

Toky R sy Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT