Sport

Michel Djaozandry Mpilalao Malagasy mamiratra any Canada


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Manana ny firazanana malagasy ary milalao ao amin’ny klioba Kanadianina divizionina voalohany, Atletico Ottawa, i Michel Djaozandry rehefa nahavita 3 taona tao amin’ny klioban’i St Hubert Club Soccer,

 

 

 

divizionina fahatelo ao an-toerana ihany. Vao 22 taona monja ny lehilahy kanefa dia efa nahazo fifanarahana amina klioban’ny baolina kitra isan’ny sangany ao an-toerana sahady. Mitana ny toeran’ny vodilaharana moa izy hatrizay ary raha ny nambarany dia naha latsa-dranomaso azy izao fiantsoana klioba sangany ny tenany izao sahady. Ezaka be, hoy izy, vao nahatody izany. Isan’ny nampiady saina ny mpitia baolina kitra Malagasy izay mety handimby an-dry Mombris sy ry Bapasy teo aloha teo ka inoana sy antenaina fa hanaiky handrafitra ny Barea tsy ho ela i Djaozandry.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT