Sport

Metanire ao anatin’ny All Star any Etazonia Hifandona amin’ny Atletico Madrid rahampitso


  • Talata 30 Jolay 2019

Mamiratra ary anisan’ireo mpilalao sangany indrindra any Etazonia i Romain Metanire ao anatin’ny ekipan’ny Barean’i Madagasikara, izay milalao any amin’ny Minnesota United.

 

Izy no voahosotra ho olon’ny lalao ny alahady teo nandritra ny fifanandrinan’ny kliobany tamin’ny Vancouver Whitecaps, izay lalao faha-16 nataony tamin’ity taom-pilalaovana ity tafiditra ao anatin’ny Major League Soccer (MLS) fifaninanam-pirenena any Etazonia. Nisaraka ady sahala 0-0 ny roa tonta, izay mametraka ny Minnesota United ho eo amin’ny laharana, faha-5 vonjimaika ka mahatafiditra azy ireo vonjimaika ao anatin’ny « Plays-offs », hiadiana ny klioba mendrika sy mahay indrindra. Manana isa « 35 points » izy ireo ary latsaka 4 amin’izay ny ekipa aoriana izay tsy tafiakatra amin’io « Plays-offs » io. Mbola misy ambina lalao 12 anefa vao tena ho tapitra ny fotoana ara-dalàna amin’ny fifaninanana. Ny alahady ho avy izao dia hifandona amin’ny Portland Timbers izy ireo. Rahampitso alarobia kosa ho an’i Metanire manokana, izay voasafidy handrafitra ny MLS-All Star, ahitana ireo mpilalao voafantina ho mendrika sy mahay indrindra any Etazonia, dia hifandona amin’ny Klioba Espaniola Atletico Madrid izy ireo, izay hatao any Orlando. Efa hatramin’ny taona 2005 moa no nisian’ny “All Star Game” hifandonan’ny mpilalao voafantina ao anatin’ny MLS amin’ny Klioba goavana avy any Eoropa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT