Sport

Melvin Adrien Mpiandry harato ankafizin’ny Malagasy


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Mpiandry harato tompon-toerana tamin’ny fandraisana anjara voalohan’ny Barean’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana CAN i Melvin Adrien izay tena nankafizin’ny Malagasy tokoa tamin’ny zava-bitany tany Egypte,

 

 

 

 indrindra tamin’ny fihaonana 1/4-dalana tamin’ny Tonizianina ny alakamisy 11 jolay teo tany amin’ny kianjan’i Al Salam Stadium any Le Caire Egypte. Tsorina fa izy no mpilalao anisan’ny ankafizin’ny vehivavy Malagasy indrindra amin’ireo mpikambana ao amin’ny ekipan’ny Barea.

25 taona ny lehilahy ankehitriny fa teraka tany Le Port La Réunion tamin’ny 30 aogositra 1993. Manambady fa tsy mbola niteraka. Mizaka ny zom-pirenena Malagasy sy Frantsay, manana halavana 1,83 m, milanja 84 kg. Milalao ao amin’ny ekipan’ny Fc Matigues any Frantsa ankehitriny ary efa in-9 izao no voaantso handrafitra ny Barean’i Madagasikara.Voaantso tao amin’ny Barea nanomboka tamin’ny taona 2017 tamin’ny fihaonana tamin’i Comores (11 novambra 2017). Handray ny mari-boninahitra fankasitrahana miaraka amin’ireo namany mandrafitra ny Barea eny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra izy anio ao anatin’ny handraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina azy ireo sy hiarahany misakafo amin’izy mivady ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT