sy naharesy lahatra loatra ny vokatra azon’ireo atleta malagasy dimy mianadahy niatrika ny “Meeting International de St Denis” tany la Reunion ny faran’ny herinandro teo
T. Medaly volafotsy roa ihany no voan-dalana azo tamin’izany raha vokatra tsara noho izay no nandrandraina. Efa azo itarafana izay mety hitranga amin’ny lalaon’ny Nosy hatao any la Reunion amin’ny fiandohan’ny volana aogositra rahateo io fifaninanana iraisam-pirenena io. I Elodie Vanessa Embony no nahazo ny medaly volafotsy iray tamin’ny 100m ka 12’’18 no fotoana vitany. I Dedy Tsaravola kosa nahazo ny volafotsy tamin’ny 200m ka 25’’03 no fotoana vitany. Samy nionona tany amin’ny lah-4 kosa ireo atleta telo ambiny. Anisan’izany Razanamalala Hanitra Soa Olga izay nifaninana tamin’ny 100m misy fefy (12’’90) sy Saholy Eugenie izay niatrika ny 800m (2’12’’69’’) ary ny lahy tokana, Rakotoarimanana Heritiana izay nifaninanana tamin’ny hazakazaka 3 000m (8’32’’53). Vao mainka nanondrana fa nanao fahadisoana ny ekipa vehivavy malagasy tamin’ny 4x100m satria tsy nety ny fanolorana ny hazokely taorian’ny 100m voalohany. Mila manamafy ny fanomanana isika malagasy raha ireo vokatra ireo no jerena raha te hamiratra toy ny tamin’ireo Lalaon’ny nosy tany aloha amin’ity andiany fah-9 any la Reunion ity.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.