Sport

Mboazafy Noé Rakotoarivelo na Razily “Tokony ovaina toy io Kianja Barea io ny Kianja Makis”


  • Zoma 11 Martsa 2022

Tsy nitotongana ny Rugby Malagasy ary tsy haiko na odiantsika tsy fantatra fa tompondakan’i Afrika ny taona 2019 ny Makis U20,

 hoy ny mpilalaon’ny ekipam-pirenena Malagasy teo aloha, Mboazafy Noé Rakotoarivelo na Razily, izay efa isan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekolin’ny Rugby sy mpanazatra ny Makis U20 ankehitriny. Tompondaka lefitra ny U20 Makis 1A ny taona 2021, hoy izy. Tsy aiko na mody odian-tsy fantatra izany na tsy misy mpampahafantatra fa ny Barea moa no hoe niroborobo. Mbola manana vokatra na palmaresy tsara hatreto ny Malagasy Rugby. Mivoaka avy ao amin’ny sekolin’ny Rugby daholo ny 90%n’ireo ankizy ireo no lasa ekipam-pirenena. Iaraha-mahalala ny hamehana ara-pahasalamana. Ny taona 2020 moa tsy nisy fifaninanana mihitsy. 2021 isika no niverina nefa mbola faharoa isika tamin’ny U20. Zava-dehibe izany amiko. Tsy tokony hisy hanavahana rehefa resaka fanatanjahantena. Tokony hampitoviana ny fitantanana rehetra. Isaorana ny nanomezana ny kianja Makis. Manantena izahay fa ho atao toy ny Kianja Barea koa io Kianja Makis io fa raha ny rariny sy hitsiny izao hoe andeha ny famaranan’ny Top 20 ireo dia mba tokony hahazo kianja Makis koa izahay. Tokony ovaina toy io Kianja Barea io ny Kianja Makis, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT