Sport

Mb2All Basket ball Hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika any Mozambika


  • Alakamisy 15 Novambra 2018


 

 

 

Niainga omaly alarobia maraina mbola maizimaizina (2:35) tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato hihazo an’i Maputo renivohitr’i Mozambika hanatanterahana ny Fiadiana ny Amboaran’i Afrika eo amin’ny ireo Ekipa Tompondaka andiany faha-24, ny ekipan'ny MB2ALL sokajy zazavavy (Miisa 19 ny ao anaty delegasiona amin’izany). Ny 16-25 novambra 2018 no hanarahana any amin’ity firenena ity ny hetsika. Marihina fa ny alatsinainy 12 novambra teo, nialoha ny niaingan’izy ireo, dia noraisin'ny minisitry ny angovo sy akoran’afo, Rasoloherison Lanto, izay filohan'ny kilioba am-perinasa rahateo teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby ny delegasion’ny MB2ALL vehivavy ka nandray ny tso-drano hahaleo hahalasa avy amin’ity raiamandreny ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT