Sport

Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany Tsy tanteraka indray ny fifidianana filohan’ny Ligy


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Vita soa aman-tsara tahaka ny tany Boeny ihany koa ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’ny baolina kitra tany Bongolava ka nahalany an-dRakotonirina Mamonjisoa.

 

Nandraisan’ny CNE na Comité National Electoral ny taranja baolina kitra tarihan-dRavelonarivo Alain Eddie fanapahan-kevitra kosa araka ny taratasy nalefan-dry zareo tany amin’ireo voakasika rehetra ny 12 janoary teo, ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny ligy vaovao any amin’ ligin’ny baolina kitra any Matsiatra Ambony sy any Vatovavy Fitovinany omaly  alarobia 17 janoary 2018. Tsy tontosa anefa ny fifidianana, hoy ny filohan’ny CNE nifandray nivantana an-telefaonina tamin’ny Tia Tanindrazana noho ny fepetra tsy feno amin’ny hanatanterahana azy (tsy nahazo fampandrenesana ny minisiteran’ny fanatanjahantena mpiahy sy ireo Dirjs any amin’ireo Faritra roa ireo). Hisy ihany fepetra manokana horaisina mikasika an’ireo Ligim-paritry ny baolina kitra roa ireo izay hambara tsy ho ela, hoy Ravelonarivo Alain Eddie. Marihana fa teny an-dalana ho aty Antananarivo ny filoha am-perisanan’ny ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony, Rarison Hilarion, no nahazo fampandrenesana avy amin’ny CNE foot-ball fa tsy raikitra indray ilay fifidianana ny alarobia 17 janoary. Iny ihany izy dia efa niverina any Fianarantsoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT