Sport

Mathyas Randriamamy Naneho ny alahelony tamin’ny fahalasan’i Raiola


  • Talata 03 Mey 2022

Nodimandry ny sabotsy teo teo amin’ny faha 55 taonany ilay mpisera mpilalao baolina kitra na “agent de joueur” isany sangany maneran-tany, Carmine Raiola, fantatra amin’ny hoe Mino Raiola.

Maro ireo mpilalao kitra sangany iraisampirenena nitadiavany lalana tao anatin’ity asany ity. Isany ilay holandey, Matthijs de Ligt, ilay Norvezianina, Erling Haaland, ilay Soedoa, Zlatan Ibrahimović, ireo Italianina, Marco Verratti, Moise Kean ary Mario Balotelli, ilay Aramenianina, Henrikh Mkhitaryan, ireo frantsay Paul Pogba sy Blaise Matuidi ary ilay tsekoslovaky, Pavel Nedvěd. Mahay tenim-pirenena miisa 7 izy dia ny italianina, anglisy, alemanina, espaniolina, frantsay, portogey, holandey. Naneho ny alahelony tamin’ny fahalasanan’ity oloben’ny tontolon’ny baolina kitra iraisampirenena ity ihany koa ny mpilalao Malagasy vao erotrerony eo amin’ny fiandrasana tsatoby, Mathyas Randriamamy, izay isany nampiany sy niara-niriaria taminy. Mankasitraka ny maha olobe anao, hoy i Mathyas. Niady ho an’ny anaranay ianao. Olobe filamatra no nandao anay mandrakizay anio. Tsy ho adinoko mandrakizay ny torohevitrao sy ny fampaherezanao, hoy hatrany I Mathyas.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT