Mathyas Randriamamy

Mivoatra tsikelikely ao Irlande


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Rehefa tsy niova fa nijanona ho mpiandry tsatoby fahatelo tao amin’ny Paris Saint Germain,

divizionina voalohany frantsay, nandritry ny 7 taona (2016 – 2023) dia niezaka nitady lalana nahafahany nanatsara kokoa ny traikefany eo amin’ny fiandrasana tsatoby ilay mpiandry tsatoby malagasy, Mathyas Randriamamy. Nandalo vetivety tao amin’ny SC Sète, noho izany, ary niatrika lalao niisa 7 monja no nahita fifanarahana indray tamin’ny Ermís Aradíppou, divizionina faharoa ao Chypre, saingy tsy nety nahazo lalao mihitsy. Ankehitriny dia mivoatra tsikelikely ao Irlande, ao amin’ny fifaninanam-pirenena First division na divizionina faharoa ao an-toerana, miaraka amin’ny Kerry FC, ity tovolahy 22 taona, mirefy 1,89 metatra ity, ary ny zava-dehibe aloha izany dia izy hatreto no mpiandry tsatoby voalohany eo anivon’ny ekipa. Hita ho miha mitombo ihany koa ny fahamatorany eny ambony kianja sy ny fifehezana ny lalao ao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana ka ny hirariana, araka izany, dia ny mbola hivoarany kokoa hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT