Sport

Mathias Randriamamy Niakatra ho sokajy “senior” ao amin’ny PSG


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Taorian’ny naha voaantso azy ho isan’ny mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara, sokajy “senior”, dia tsy nijanona ho U19 eo anivon’ny ekipany ao Paris dia ny PSG intsony ny mpiandry tsatokazo vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

 

 

 Mathias Randriamamy, fa natao iray lisitra amin-dry Neymar sy ry Mbappe amin’izay na dia vao 17 taona monja aza. Isan’ireo 21 mirahalahy niatrika an’i Dijon tany Frantsa izy, noho izany, ny sabotsy teo. Na dia mbola mitana ny laharana faha 3 amin’ireo mpiandry harato ao amin’ity klioba frantsay goavana ity aza i Mathias dia azo ambara fahombiazana goavana nihatra tamin’izany ao anatin’izao taonany izao. Ny fahakingany sy ny fahasahiany manapa-kevitra no tena tombony ho an’ity mpiandry tsatokazo tanora dia tanora ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT