Sport

Mathias Randriamamy Hanao Champions league miaraka amin’ny PSG


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpilalaon'ny PSG hiatrika an’i Istanbul basaksehir hanafika any Torkia sahady ilay mpiandry harato vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasy, Mathias Randriamamy.

Vao 17 taona monja moa ny lehilahy, tsiahivina hatrany, ary efa mpiandry tsatokazo faharoa ao amin’ny Barea raha toa ka fahatelo kosa ao amin’ity klioba sangany ao Frantsa ity. Vao 4 andro monja izay no naha voaray azy ho isan’ireo mpilalaon’ny Paris Saint Germain, sokajy A, dia izao izy efa miomana hiatrika ny lalaony faharoa ao izao sahady no sady amina sehatra goavana indrindra ao Eoropa. Andro faharoa amin’ny fifanitsanana isam-bondrona moa ity atao any amin’ny Stade Fatih terim any Torkia anio amin’ny 9 ora alina, ora eto Madagasikara ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT