Mathias M’Madi

Voatery nisintaka ny Draft NBA


  • Talata 17 Jona 2025

Niala an-daharana amin'ny Draft NBA 2025 dingana fifantenana ireo mpilalao hiditra

anatin’ny NBA i Mathias M’Madi taorian'ny naratra tamin'ny kitrokely nandritra ny fanazarana niaraka tamin'ny Cleveland Cavaliers, araka ny fampahafantarana ofisialiny ny faran’ny herinandro teo. Nisintaka tamin'ny fitsapana ara-batana niaraka tamin'ny Milwaukee Bucks ary voafetra amin'ny fanazaran-tena tsy misy fifandraisana niaraka tamin'ny Orlando Magic, tsy afaka naneho tanteraka ny fahafaha-manaony ity mpilalao sangany, mpamono baolina be indrindra tany amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany latsaky ny 18 taona ity. « Tsy nisy antoka fa ho sitrana ara-potoana ho an'ny Summer League », hoy izy, ka nisafidy ny hifantoka amin'ny fikatsahana fahasitranana feno ho an'ny Afrobasket 2025 kasaina hotanterahina amin'ny aogositra any Angola. Naneho fankasitrahana ireo nanoka-baravarana ho azy ao anatin’ny NBA telo be izao noho ny fandraisana azy i Mathias M’Madi, fa indrindra ny « Agent »-ny noho nahafahany nanokatra ireo herijika ireo. Ankehitriny dia mifantoka kokoa ho an'ny ekipa Malagasy i Mathias M’Madi izay mieritreritra sy manantena fa hiverina tanteraka amin’ny tanjany ho an’ny taom-pilalaovana 2025/26.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT