Mathias M’Madi

Miketrika mafy ho mpilalao anatin’ny NBA


  • Talata 29 Aprily 2025

vonona i Mathias M’Madi ! Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ity tanora mpilalaon’ny Ankoay

ity fa hiditra amin’ny fifantenana ho mpilalao matihanina ao amin’ny NBA na « draft NBA » amin’ity taona ity. Nofiny hatramin’izay ny ho isan’ireo mpilalao ao anatin’io ligy matihanina amerikanina io, ary manantena izy fa hahazo toerana ao mba hanohy ny maha mpilalao basikety amin’ny sehatra ambony indrindra. Hatramin’ny nialany tao amin’ny Elan Chalon tany Frantsa tamin'ny 2023, NBA no hany nofinofinofiny sy tanjony. Taorian'ny fandraisany anjara tamin'ny fiadiana ny Tompondaka Eran-tany U19 tamin'ny 2023 izay nahavoahosotra azy ho mpamono baolina be indrindra mantsy, dia nifindra tany Etazonia i Mathias M’Madi mba hitady làlana hidirana haingana amin'ny NBA. Nifidy ny hiverina tany Eoropa indray anefa avy eo, ka niaraka tamin’ny CB Morón, klioba divizionina faharoa any Espaina, hanohy ny fivoarany. Ankehitriny, taorian'ny taom-pilalaovana iray, dia nanao fanambarana fa handao an'i CB Morón sy hiverina any Etazonia izy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT