Mathias M’Madi

Mety halain’ny Gran Canaria ekipa goavana any Espagne


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Niatrika fitsapana tao amin’ny Gran Canaria, klioba milalao ao amin’ny Liga Endesa divizionina

voalohany any Espaina i Mathias M’Madi, ilay mpilalao basikety Malagasy vao 19 taona, mpamono baolina betsaka indrindra ao anatin’ny sokajin-taona zandriny. Anisan'ny fifaninana tena misongadina any Eoropa ny Liga Endesa, ka heverina fa eo ambany mason’ny iray amin’ireo klioba matanjaka indrindra any Espaina ity mpilalao Malagasy ity. Iray amin’ireo ekipa lehibe indrindra amin’ny fiadiana tompondakan’i Espaina ary mahery ihany koa eo amin’ny sehatra Eoropeana ny Gran Canaria. Manaporofo izany ny fandreseny tamin’ny Euro Cup ny taom-pilalaovana 2022-2023. Maniry ny hahazo fotoana hilalaovana amin’ny sehatra matihanina i Mathias M’Madi taorian’ny herintaona tany Etazonia tao amin’ny Junior College. Afaka nihaona tamin’ny mpanazatra tao amin’ny Gran Canaria mba hampiseho ny talentany i Mathias. Ho hita eo raha nahafa-po ny zava-bitany ka mba hahazoany toerana ao amin’ny ekipan’ny Gran Canaria. Maro ireo klioba liana mafy amin’ny mombamomba an’ity tanora Malagasy ity izay mbola afaka handray anjara amin’ny NBA drafts amin’ny taona 2025 na 2026, raha ny fanamarihana. Ankoatra ny naha tompondaka antsika tamin’ny Afrobasket U18 dia isan’ireo mpamono baolina be indrindra tany amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany U-19 tany Hongrie ny jona 2023 ihany koa i Mathias.
Toky R
Sary indrana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT