Sport

Match de Firaisankina Afa-bela tamin’ny mpanao gazety ny mpanao politika


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tontosa omaly alahady 26 janoary teny amin’ny amin’ny kianja Elgeco Plus By Pass Ambohijanaka ny lalaom-pirahalahiana baolina

 

 

                                                                                                              

kitra “Match de Firaisankina” miverina nifanandrinan’ny ekipan’ny mpanao gazety tamin’ny ekipan’ny mpanao politika Malagasy. Afa-bela tamin’ny ankapobeny ity farany raha nandresy ny mpanao gazety 1-0 tamin’io lalao natao omaly io. Tsy nahavita ny “remontada” nokasainy hatao anefa ry zareo. Efa resy 8-4 mantsy tamin’ny lalao  mandroso notontosaina tamin’ny 06 aogositra 2019. Raha atambatra dia 8-5 no fitambaran’isa. Afa-po izahay tamin’ny ankapobeny, hoy ireo mpikarakara mirahalahy dia i Alphe Léon avy amin’ny Alphe Génération sy Atoa Tolihare Tsifanahy teny amin’ny By pass omaly. Maro ireo mpijery namaly ny antso ary nitombo betsaka ihany koa ireo mpilalao nandray anjara na tamin’ny an-daniny na tamin’ny an-kilany. Nampiditra ny baolina nandresen’ny mpanao politika teo amin’ny minitra faha-65 i Jerisson Joseph (mpilalaon’ny Fair Play). Samy nahazo amboara tandrify azy avy moa ny ekipa roa tonta ary notolorana amboara manokana ihany koa ireo mpilalao mendrika indrindra dia i Guy Maxime ho an’ny mpanao politika. I Guy Tsimarofy avy amin’ny IRD mpiandry haraton’ny mpanao politika izay nanavotra baolina maro tamin’ity lalao ity no tokony ho notononin’ny mpikarakara satria i Guy Maxime dia efa nahazo karatra mavo ka tsy tokony ho mpilalao mendrika izany. Ny namana Dani na Rakapy avy amin’ny Gazety Le Quotidien sy Vaovaontsika teo amin’ny mpanao gazety.Tonga nanokatra ity lalao ity sy nandaka ny baolina voalohany ny filohan’ny Fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse. Nanolotra ny amboara kosa i Me Kira sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Gerard Rakotonirina.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT