Masters de pétanque_Ekipa Malagasy

Mila miady mafy raha te ho tafita amin’ny « Final Four »


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Ratsiratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara tao anatin’ny fifaninanana Masters de Pétanque de Nevers

ny faran’ny herinandro teo. Lavon’ny ekipan’i Christian Andriantseheno na Racle 7-13 ny solontenantsika nahitana an’i Herilantotsoa Razafimahatratra, Haja Andriamahazo Rafanomezantsoa, Jean-Michel Andrianjaka, ary Faralahy Ramanantiaray teo amin’ny dingana faharoa. Vokany, voatery mitady vokatra faran’izay tsara na « exploit » ao anatin’ny dingana manaraka hatao any Romans-sur-Isère rahampitso 27 sy ny 28 aogositra ny ekipa Malagasy raha te ho tafita amin’ny « Final Four » tombanana ho amin’io volana septambra ho avy io. Taorian’ny dingana farany teo, dia any amin’ny laharana faha-4 vonjimaika ny ekipam-pirenena Malagasy izay tsy manana afatsy isa 9, raha toa ny ekipan’i Diego Rizzi no voalohany manana isa 21, Helfrick 20, France 2 manana isa 18, Madagasikara 9, France 1 manana isa 7, Andriantseheno 4, Rousseau 2.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT