Sport

Masoivoho Koreanina Tatsimo « Hampianatra Taekwondo ny tafika Malagasy izahay »


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Nanao veloma an’i Madagasikara ny sabotsy teo ny masoivohon’i Korea Atsimo niasa teto amintsika, Lim Sang Woo.

 

 

 

 Handao an'i Madagasikara aho, hoy izy, ary feno fahatsiarovana izay tsy hisaraka amiko mihitsy. Nanatrika ny fampisehoana goavana Taekwondo izay nataon’ny tafika Malagasy nandritra ny fetim-pirenena Malagasy aho. Ankehitriny dia miomana ny hampianatra ny Taek Won Do ny tafika Malagasy rehetra izahay. Nitsidika ny valan-javaboahary tao Marojejy ary nijanona tao indray alina teo anivon’ireo zava-boahary miavaka ny tenako. Naharesy lahatra ahy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana. Izany no nahatonga anay hiara-kiasa amin'ny UNESCO manomboka ity taona ity amin’ny famatsiam-bola ireo tetikasa fiarovana ireo valan-javaboahary. Nitsidika ny zaridaina “potager” tamin'ny toerana maina sy makiana tany Itampolo aho. Amin'izao dia mandeha ny tetikasa hiarahana amin'ny PAM, izay mitetina 6.000.000 dolara, entina hiadiana ny tsy fananjarin-tsakafo any Atsimo. Nitsidika ny tanànan' Ivovona tao amin’ny Montagne des Français aho,ary tena variana aho nahita ny famokarana herinaratra avy amin’ny rivotra ao Antsiranana. Hamatsy herinaratra avy amin'ny rivotra tanàna iray hafa ao amin'ny “Montagne des français” koa izahay, hoy hatrany ny ampahan’ireo lahateniny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT