Marim-pankasitrahana ho an’ny Barea CHAN

Miteraka adihevitra ilay hoe an’ny FMF ny 40%


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Vola be mitentina 52,8 tapitrisa ariary no azon’ny mpilalao tsirairay eo anivon’ny

ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea mandray anjara amin’ity CHAN na tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra 2025 ity, raha atao izany ny kajy tsotsotra. Raha mandresy ny Barea amin’io ampahefa-dalana rahampitso zoma io dia hahazo vola mitentina 450.000 USD na eo amin’ny 2,025 miliara Ariary eo. Araka ny fizaràna ofisialy dia 60 % no ho an’ny mpilalao sy ny «staff» na ekipa tekinika misahana ny ekipam-pirenena. Izany hoe 270.000 USD na manodidina ny 1,215 miliara Ariary eo. 40 % ho an’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF. Raha 23 no isan’ny mpilalao mandray dia tokony hahazo eo amin’ny 52,8 tapitrisa Ariary avy izy tsirairay. Raha atambatra amin’ny «staff», izay eo amin’ny 30 ny olona rehetra, dia tokony ho 40,5 tapitrisa Ariary eo ho eo isanisany. Miteraka adihevitra be eo anivon’ny tontolon’ny fankafizàna fanatanjahantena, indrindra, eo anivon’ny fankafizana baolina kitra sy ireto ekipam-pirenena ireto moa amin’izao fotoana izao ny hoe rariny ve raha 40% be izao no omena ny FMF daholo nefa ilay 60% ambiny mbola tsy an’ireo mpilalao samirery ihany koa? Tsy efa betsaka aza ve raha mihoatra ny 20% no an’izany FMF izany? Heverina tokoa fa isan’ny singa iray tena ilain’ireo mpilalao hanatsaràny ny fiainany, indrindra, hanomanany ny hoaviny eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny resa-bola ary nisy hatsembohana sy ezaka ara-batana sy ara-tsaina nandritry ny fotoana maro avy amin’ireo mpilalao sy indrindra ihany, ny mpanazatra, nahatongavana tamin’izao dingana izao saingy izay moa izany no fandaminana teto ary dia mbola resaka mari-pankasitrahana na «prime» toy ny mahazatra hatrany izy ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT