Marie Estella Lafontaine

Tovovavy malagasy hilalao ao amin’ny PSG


  • Talata 14 Jolay 2026

Nanao sonia ny fifanarahana maha

matihanina azy voalohany miaraka amin’ny klioba goavana frantsay Paris Saint-Germain na PSG i Marie Estella Lafontaine, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Tovovavy malagasy 17 taona, teraka tao Nosy Be Hell-Ville izy. Haharitra hatramin’ny 2029 ny fifanarahana, hoy ny fanazavàna. Tonga tao amin’ny PSG tamin’ny 2024 izy ary efa nahazo ny Tompondakan’i Frantsa U19 na ho an’ny latsaky ny 19 taona. Tamin’ity taom-pilalaovana ity izy dia efa niaraka nilalao tamin’ny ekipa «première» na ireo natokana hiakatra kianja ary nahavita fisehoana in-5 sy nahafaty baolina miisa 2, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Faly sy mirehareha aho nanao sonia tao amin’ny kliobako, hoy ny tovovavy. Fomba iray anehoako fisaorana ny PSG izay nino ahy hatrany io, hoy izy. Anjarako izao no manaporofo fa mendrika izany fitokisana izany aho, hoy ihany ity pepitan’ny baolina kitra malagasy ity. Miha mandroso hatrany, araka izany, ny baolina kitra sokajy vehivavy eto Madagasikara ary raha manana talenta sy manam-bintana dia afaka manatratra ny sehatra avo indrindra ihany koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT