Marco Ilaimaharitra

Voadingan’i Etienne Camara


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

izay vao nanatevin-daharana ny klioba divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra ao Belzika, Royal Charleroi Sporting Club, ilay irakiraka mpiaro malagasy, Marco Ilaimaharitra, 28 taona, raha ny fahitan’ireo mpamakafaka fanatanjahantena belza azy tato ho ato. Fanindroany izao no nahitana ity mpilalao malagasy ity nanafana seza na nataon’ny mpanazatra ity klioba ity mpilalao fiandry raha toa ka neverina hatrany ho isan’ny andrin’ny ekipa kosa tao anatin’izay 7 taona nilalaovany tao amin’ity klioba ity izay. Mametra-panontaniana moa ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena ao an-toerana hoe inona izany ilay tsy ampy ao amin’i Marco fa ananan’ity zandrikely frantsay ity kosa? Milingilingy mitsapa mpilalao vao misondrotra anaty fifaninanana koa ve ity mpanazatra ity? Marco Ilaimaharitra, raha tsiahivina, dia efa nisy fotoana nanankinan’ny mpanazatra ny RCSC ny andraikitra maha kapitenin’ny ekipa mihitsy ary neverina hatramin’izay fa tena nametrahan’ity mpanazatra ity fitokisana ihany koa amin’ny fiarovana ny ao afovoanin’ny kianja ao saingy iaraha-mahita eo moa ny fivoaran’ny toe-draharaha. Mirary soa ho azy isika na eo aza izany vaovao azo lazaina hoe somary ratsy izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT