Sport

Marco Ilaimaharitra Mahaliana ny Maccabi Haïfa ao Israely


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Mahaliana ny Maccabi Haïfa, klioba divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra ao Israely,

ilay irakiraka malagasy, Marco Ilaimaharitra, raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Efa niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera mihitsy aza moa ny sarin’ity kintan’ny baolina kitra malagasy, 28 taona, ity misalotra ny fanamian’io ekipa israelianina io. Niparitaka ihany koa ny vaovao fa efa tafafindra ao amin’ity klioba ity i Marco Ilaimaharitra saingy mbola tsy nisy nefa ny fampitam-baovao ofisialy mikasika izany. Tsiahivina fa mpilalaon’ny Sporting Charleroi, klioba divizionina voalohany belza, nandritry ny 7 taona nanomboka ny taona 2017 ity mpilalao malagasy ity farany teo ary tsy nohavaozin’ity klioba ity intsony moa ny fifanarahana niaraka taminy rehefa tapitra tamin’ity volana jona ity. Talohan’izay dia ny divizionina voalohany frantsay, Sochaux-Montbéliard, no nivoarany nandritry ny 3 taona, nanomboka ny taona 2014. Azo lazaina ho nivoatra tao anatina klioba matanjaka sy avo lenta hatrany, noho izany, ity mpilalao malagasy ity tao anatin’ny 10 taona farany ka heverina fa tsy mahagaga raha mbola liana aminy indray ity klioba israelianina izay mitana ny laharana faharoa eo amin’ny fifaninanam-pirenena ao an-toerana na ny Ligat Habursa Leniyarot Erech ity. Etsy ankilan’izay dia mahaliana ny mpitia kitra malagasy ihany koa anefa ankehitriny ny tohin’ny fanapahan-kevitr’i Marco Ilaimaharitra mikasika ny fiverenany hanatevin-daharana indray ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea taorian’ny niparitahan’ny vaovao iraisampirenena fa naka retirety iraisampirenena ny lehilahy. Tsy niantso azy handrafitra ny ekipam-pirenena rahateo moa ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe tao aorian’izay. Isan’ny adihevitra koa nefa tetsy ankilany ny mikasika ny tsy fahafalian’ity irakiraka ity momba izay fitantanana ny ekipam-pirenena izay ary fototry ny savorovoro moa tamin’ireny ny mikasika ny tsy fanefana ireo fankasitrahana na «prime» ho an’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Andrasana, na izany aza ny tohiny ary irariana ny hiverenan’ity mpilalao ity indray ao amin’ny ekipam-pirenena. Mirary soa azy koa anefa, etsy andanin’izay, ny amin’ny mba hahombiazany lavitra noho ny teo aloha amin’izao tohin’ny lalany izao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT