Miverina indray ao anatin’ny fifaninanan’ny Pro League Belge i Marco Ilaimaharitra.
Nanao sonia fifanarahana roa taona miaraka amin'ny Standard de Liège, izay haharitra hatramin’ny 2027, misy koa safidy hanampy taom-pilalaovana fanampiny iray, araka ny fanambarana ofisialin’ny klioba tao amin’ny tranonkalany. Anisan’ny klioba matanjaka ao Belgique ny Standard de Liège. « Fantatro amin'ny maha-mpifandrina taminay ity kiloba ity, fa ankehitriny aho dia hanome izay tsara indrindra amin’ny fitondrana ny lokony», hoy io mpilalao iraisam-pirenena Malagasy 29 taona amin'ny fanehoan-keviny voalohany. Niala tamin’ny Pro League Belza izy tamin’ny taon-dasa, taorian’ny valo taona niarahana tamin’ny Charleroi, ary nandalo enina volana tao amin’ny KV Kortrijk D2 Belza, nahavita lalao 13. « Rehefa natolotry ny Standard ahy ity fanamby vaovao ity, dia maro tamin’ireo fahatsiarovana no tonga tao an-tsaiko: indrindra ny rivotra miavaka ao Sclessin sy ny firaiketam-pon’ny mpankafy», hoy i Marco araka ny filazan’ny pejy ofisialin’ny klioba. Tsy vaovao amin’ny fifaninanam-pirenena belza i Marco, izay antony nanosika ny mpanazatra Marc Wilmots haka azy. « Fantatry ny olona rehetra any Belgique ny kalitaon’i Marco. Milamina, ara-teknika mahery ary mahay mifehy ny afovoan-kianja, hitondra traikefa goavana ho an’ny ekipa izy. », hoy io mpanazatra io. Nanampy ny mpanazatra fa « ny maha mpitarika azy sy ny faharanitany amin’ny lalao dia ho hery goavana ho an’ny vondrona ». Nataon’ny Standard de Liege makotrokotroka ny fahatongavan’i Marco. Raha toa ka hafalina sy fanantenana ny mety ho traikefa sy hery entin’i Marco no nentin’ny mpanohana ny Standard de Liege azy dia tsy toa izay kosa no nandraisan’ireo mpanohana ny ekipan’ny Charleroi an’ity fifindrana ity fa tsaraian’izy ireo ho mpamadika na Jodasy i Marco satria ekipa mpifandrafy ny andaniny sy ny ankilany, izay heverina fa hanome aina ny fifaninana ny fisian’ity mpilalao Malagasy ity. Tsara ny manamarika fa niala an-daharana izy nandritra ny fampivondronana ny Barea tany Frantsa teo, izay nanaovana lalao ara-pirahalahiana tamin’ny RD Congo nahamontsana antsika 3-1. Antony ny tsy fandovana ny « primes » tokony hositrahan’ny mpilalao. Asa na mbola hantsoina handrafitra ny Barea na hailika tanteraka toy ny efa natao tamin’ny mpilalao sasany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.