Sport

Marathon – Relais International de St Benoît Tanjona ny hanavao ny fotoana tsara indrindra


  • Sabotsy 07 Novambra 2015

Fantatra taorian’ny fifaninanana sivana natao omaly teny amin’ny kianjan’Alarobia ireo atleta folo mirahalahy handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny andiany fah-40 amin’ny “Marathon Relais International de St Benoît” izay hatao ny alarobia 11 novambra izao any la Réunion

. Ekipa avy amina firenena maherin’ny 58 no mandray anjara amin’io hazakazaka mifampitohy isan-tarika amin’ny halavirana 42,195km ary rafetina mpihazakazaka folo isaky ny ekipa io. Samy hafa ny halaviran-dalana ho an’ny mpihazakazaka tsirairay izay eo anelanelan’ny 3 400m hatramin’ny 3 600m. Valo amin’ireo atleta voafantina no efa tranainy sy nahitana vokatra ahitana an’Andriamparany Hajanirina (Cosfa), kapitenin’ny ekipa malagasy miaraka amin-dry Rakotoarimanana Hery Tiana (Cosfa), Mampitroatsy (CosPN Boeny), Rakotondrasoa Fulgence (Crown Antsirabe), Randrianarisoa Fabien ( Garage Radom), Ralaiarimanana Hervé Patrick (Cosfa) ary Rakotomalala Jean de la Croix (Crown Antsirabe). Vao nantsoina hanampy azy ireo kosa Ramahavitasoa Vonihitsy Clément (Ihorombe) sy Rakotoniaina Nicolas (Cnaps Sport). Ireo atleta havanana amin’ny lavitrezaka avokoa ireo nofantenana ireo izay sangany amin’ny 3 000m misy fefy, 5 000m, 10 000m ary manana anaramboninahitra nasionaly sy nahazo medaly volamena tamin’ny Lalaon’ny Nosy tany la Réunion farany teo. Hitarika ny delegasiona any la Réunion ny filohan’ny ligin’i DIANA, Sylvain Yves Roland. Andiany dimy raha tsiahivina no efa azontsika Malagasy ka voalohany tamin’izany ny andiany fah-26 ny taona 2001, avy eo ny 2002. Niato tsy nandray anjara taorian’io i Madagasikara ary avy eo nisesy indray ny vokatra tsara ny taona 2011, 2012, 2013, 2014. Ny fotoana tsara indrindra vitantsika Malagasy moa dia 2:09:36 ary tanjona ny hanavao io fotoana io ankoatra ny fikendrena ny anaramboninahitra fanineniny. Marihina fa 2:11:34 no fotoana tsara indrindra amin’ity fifaninanana ity izay vitan’ny ekipa frantsay ny taona 1986.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT