Sport

Marathon international de Tana Miantso fanohanana ny atleta malagasy


  • Zoma 08 Septambra 2017

Hiditra amin’ny andiany faha-17 ilay hetsika ara-panatanjahantena Marathon international de Tana izay hotontosaina ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao.

 

Nanao fanentanana ny mpikarakara ny hetsika sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny amin’ny mba hanohanana ireo atleta malagasy mandray anjara rehetra. Miisa dimy ireo taranja hifaninanana ary samy miainga sy miverina eo Analakely avokoa. Ny hazakazaka lavitrezaka izay hitetezana halavirana mirefy 42,192km, ny hazakazaka ho an’ireo manana fahasembanana sy ilay antsoina hoe : “Foulée écolo”, mirefy 10km, ny hazakazaka misari-miaina (maratoons) mirefy 1,5km ary hisy fifaninanana hafa ihany koa. Handray anjara amin’ity hetsika ity ny atleta avy amin’ireo Nosy rahavavy dia i Maorisy sy Seisela ary La Réunion sy ny avy ao Afrika toa an’I Afrika atsimo sy Etiopia ary Kenya.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT