Marathon International de Tana

Hiara-dalana ny fanatanjahatena


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

sy ny fiarovana ny tontolo iainana

Hisalotra endrika vaovao indray ny andiany faha 20 ny Marathon International de Tana izay ho tontosaina ny 18 sy 19 oktobra izao. Tena hiova endrika ny marimarina kokoa satria dia hiaraka amin'ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy n'y Fampandrosoana Lovain-jafy. Ny World Trade Centre Madagasikara moa no tena tompon'ny ketrika miaraka amin'ny Vision Madagascar NGO fa eo koa ny Federasiona Malagasy ny Atletisma. Amin'io fotoana Io no hankalazan'ny Ministeran'ny Tontolo iainana ny Andron'ny rivotra madio ary tena hisy fandrefesana izany apetraka eto Antananarivo.Hisy koa ireo hetsika fanentanana ho tontosaina eny amin'ny sekoly sy ny oniversite izay ho tohizana eny amin'ny Village Marathon. Eto amin'ireo farany indray no mitohy izany fanentanana izany miaraka amin'ny varotra sy atrikasa maro. N'y mikasika ny Marathon indray dia n'y 19 oktobra no hanaaovanyy azy.Saingy ankoatra ilay 42,195 km dia misy koa ilay 10 km antsoina hoe foulée écologique.Tsy adino koa anefa ny fianakaviana sy ireo ankizy izay hiazakazaka 2 km. Ny tanjona dia ny handraisan'ny rehetra anjara.Ny mampiavaka izany anefa dia tsy misy sarany fa tsy maintsy mamboly hazo iray eny an-tokotanin'ny hopitaly sy sekoly.Ho tanterahina isan-taona moa izao hetsika hiarahan'ny WTC Madagasikara sy ny Ministeran'ny Tontolo Iainana izao.
(Tahirin-tsary)
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT