Sport

Marathon International de Tanà andiany faha-17 Nanjakan’ny atleta Malagasy


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

2 andro be izao dia ny sabotsy 2 sy alahady 3 desambra no nanatontosana ny hetsika Marathon Internationale de Tanà nokarakarain’ny Federasiona Malagasin’ny Atletisma niaraka tamin’ny World Trade Center ary ny fiombonan’antoky ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

 

 Nifangaro tao ny hetsika ara-javakanto sy ny ara-panatanjahantena. Ny sabotsy 2 desambra 2017 dia efa nilanona niaraka tamin’ireo mpanakanto maro tetsy amin’ny Parvis Lapan’ny tanàna etsy Analakely ny rehetra ary nitohy ny alahady 3 desambra nomban’ny fanentanan’ny (SE/CNLS) tamin’ny ady amin’ny tsimokaretina Vih/Sida sy ny fitiliana maimaimpoana. Omaly alahady 3 desambra koa no nanatanterahana ny hetsika ara-panatanjahantena Marathon (42,185km) nandraisana vahiny maro anjara. Nanjaka tanteraka ny atleta Malagasy ka nahazoany ny laharana 3 voalohany (Jean de la Croix, Haja ary Lalaina). Nampitaraina ny teratany vahiny nandray anjara ny fikarakarana an’ity fifaninanana ity fa tara ny fametrahana ny rano teny amin’ny « point d’eau » nandalovana ka nahatonga ny sasany nitsoaka an-daharana mihitsy. Mbola nampimenomenona ny mpitondra fiarakodia teto Iarivo koa ny fahatapahan’ny lalana maro teto Antananarivo ka nampikorontana ny fandaharam-potoanan’ny mponina rehetra tamin’ny ankapobeny. Nifanandrify indrindra tamin’ny andro fankalazana ny « Journée Verte » nanentanan’ny minisiteran’ny totolo iainana ny tsy hampiasana fiara omaly alahady mba handehanana an-tongotra sy amin’ireny « patins à roulant » ireny hisorohana  ny fandotoana ny tontolo iainana. Marihina fa nisy koa ny hazakazaka « foulé Ecole (10km) sy ny HandiRun (10 km ihany koa) ary ny Maratoon’s (1,5km).

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT