Sport

Marathon international de Tanà andiany faha-15 Vonona ny rehetra 10 andro mialohan’ny fifaninana


  • Zoma 02 Oktobra 2015

Aty amin’ny 10 andro mialohan’ny fifaninana na J-10, omaly alakamisy 01 oktobra 2015, dia namerina nampiantso mpanao gazety tetsy Antaninarenina indray ireo mpikarakaran’ny hetsika Marathon International de Tana andiany faha-15 izay hatao ny faha-11 oktobra izao notarihan’ny orinas Vima na ny Vision Madagascar sy ny Fma na ny federasiona Malagasin’ny Atletisma.

 

  Fampahafantarana an’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay samy nanambarana ny fahavononany  avokoa izy rehetra amin’ny fanohanana ny hetsika. Niavaka kosa anefa ny filazana fa hotely ofisialy handray ireo atleta avy any ivelany handray anjara amin’ny fifaninanana ny Hotel Colbert, mpitatitra ofisialy azy ireo kosa ny Air Madagascar. Nisolontena ny rehetra moa tamin’izay fanehoam-pahavononana izay ny avy amin’ny Dewary Sécurité  hiantoka ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny fifaninanana sy ny mpanazatra nasionaly ny taranja atletisma, Mahatana Jean de la Croix sy ny atleta Haja Andriamparany.  Nampahafantarina omaly ihany  ny vola fankaherezana ho an’ny Marathon mirefy 42,195km, ny “Foulees Ecolo” amin’ny halavirana 10km, ny “handirun” ho an’ireo manana fahasembanana mirefy 10km ary ny “Maratoons” izay natokana ho an’ny mpianakavy sy indrindra ireo ankizy izay 1,5km mihodidina ny araben’ny fahaleovantena. 50.000 ar ka hatramin’ny 1,5 tapitrisa ar izany amin’ny ankapobeny. Tsy hitovy kosa ny vola alohan’ireo te-handray anjara rehetra indrindra hoan’ireo manana “Licence” sy ireo vahiny na avy any ivelany na avy eto an-toerana ary ireo manana fahasembanana. Manomboka amin’ny 200 ar izany hoan’ity farany ary 15 000 ar sy 50 euros kosa hoan’ny Marathon. Ilaina ny misoratra anarana mialoha eny amin’ny FMA alarobia na koa eny amin’ny VIMA Ankorondrano mba hahafahana manamora ny fizarana Tee-shirt.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT