Sport

Marathon International de Tana 1 500 000 Ar ny loka miandry ny laharana voalohany


  • Talata 13 Septambra 2016

Ho tapaka ny lalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny 16 oktobra ho avy. Hotanterahina amin’io andro io mantsy ilay hetsika “Marathon International de Tana”

 

 andiany faha-16 karakarain’ny World Trade Center Antananarivo sy Federasiona malagasin’ny atletisma ka eo anoloan’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny fiaingana.  Afaka mandray anjara avokoa ny rehetra raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra omaly. Anisan’izany ny ankizy 5 ka hatramin’ny 13 taona, handray anjara amin’ilay halaviran-dalana 1 km saingy tsy maintsy tomombana ara-pahasalamana  ary arahin’ny ray aman-dreniny ihany koa. Ho an’ireo handray anjara amin’ilay halaviran-dalana 42 km indray dia tsy maintsy nahazo taratasy manamarina ny fahasalamany avy any amin’ny dokotera mba hahafahany miatrika izany raha natokana ho an’ireo efa za-draharaha amin’ny hazakazaka kosa ny halaviran-dalana ambiny sisa.1 500 000 Ar moa ny loka hatolotra ho an’izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany ho an’ny isan-tsokajiny ankoatra ny loka hafa hatolotr’ireo mpanohana maro samihafa. Ny 15 oktobra ho avy izao no fara-fisoratana anarana. Nampahafantarina omaly avokoa moa ireo mpanohana ny hetsika rehetra ka anisan’ireny ny Brasserie Star sy ny Socolait.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT