Sport

Marathon de Tanà andiany faha-19 Nahemotra amin’ny alahady 17 novambra izao


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Nambaran’ireo mpikarakara (Fma sy Vima ary ny Eau Vive niaraka tamin’ny Telma),

 

 

 

 tamin’ny firesahana tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo omaly talata 05 novambra 2019, fa raha ny alahady faha-3 amin’ny volana oktobra no fanatanterahana ny fifaninanana hazakazaka « Marathon de Tanà » isan-taona dia voatery nahemotra amin’ny alahady faha-17 novambra izao ny andiany faha-19 hotanterahina amin’ity taona 2019 noho ny antony fandaminana. Voalaza teny Andraharo koa fa somary hiavaka kely amin’ny mahazatra ity andiany 2019 ity noho ny fanovana ny lalana ho diavin’ireo mpifaninana izay hiainga eny amin’ny VIMA Ankorondrano ka hifarana eny amin’ny kianjan’Alarobia. Mpifaninana mahatratra ny 100 eo ho eo hatrany no mandray anjara amin’ny “Marathon de Tanà” 42,195 km isan-taona. Mpifaninana 300 ka hatramin’ny 400 isa kosa no handrasana eo amin’ny hazakazaka 10 km. Hisy ihany koa ny maratoon’s sy fihodidinana in-3 ny “piste” fihazakazahana eny Alarobia. Ny “classement general” no mamaritra ny fandresena eo amin’ny “Marathon” ka hotolorana 150.000 ar ny voalohany amin’ny hazakazaka 42,195 km, 100.000 ar ny faha-2 ary 60.000 ar ny faha-3. Hotolorana 60.000 ar kosa ny voalohany amin’ny hazakaza 10 km, 20.000 ary ny faha-2 ary 15.000 ar ny faha-3.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT