Marary ny kitra Malagasy

Mbola novizanin’i Comores 1-0 indray koa ny Barea


  • Talata 19 Novambra 2024

Tsy afa-bela ny Barean’i Madagasikara tato anatin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 ! Nandohalika teo anatrehan’i Comores ny ekipam-pirenentsika

omaly tamin’ny andro faha-6 farany, natao tany Maroc. Resin’i Comores 1-0, baolina matin’ny laharana faha-18 Bourhane, nametraka azy ireo ho laharana voalohany tao anatin’ny Vondrona A tamin’ny alalan’ny isa 12, raha toa ka nidina ho faharoa kosa ny Tonizianina izay resin’i Gambie 1-0 alina, ka nijanona ho isa 10. Afa-bela teo anatrehantsika ny Kaomorianina satria fandresena nokatsahany an-taonany maro ny omaly satria raha tsiahivina dia tsy mbola nandresy mihitsy izy ireo tamin’ny lalao 11 farany nialohan’iny, ary nidiram-baolina 28 sy zara raha nahatafiditra 5. Mandohalika tanteraka ny baolina kitra Malagasy, tena mila fanarenana, mila politika ara-panatanjahantena mahomby fa tsy atao fitaovana politika. Andrasana ny fanapahan-kevitra sy fanatsarana samihafa taorian’ny fahavitan’ny fifanintsanan’ny CAN satria tsy manana mpanazatra raikitra aloha izany ny Barea A hatreto taorian’ny fametraham-pialan’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe, ary famitana lalao ihany ny an’i Gilles Hugon omaly izay faharesena aloha no azony. Ho voatazona ho mpanazatra ve ity farany sa hitady olona hafa mihitsy ny Federasionina ? Nahazo lesona tamin’izay rehetra nitranga izay ve ny mpitantana ka hahay hanarina sa hitohy ny famotehana ny kitra Malagasy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT