Marary ny baolina kitra malagasy

Fantatra efa ela ny lesoka sy olana fa odiana fanina hatrany!


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Na dia efa samy nahatody ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tany

amin’ny manasa-dalan’ny COSAFA CUP aza ny mpanazatra, Frank Rajaonarisamba, ny taona 2006 sy ny Maitre Romuald Rakotondrabe na Roro tamin’ity taona 2025 ity dia heverina fa mbola tsy misy afaka hiteny mihitsy androany hoe efa salama ny baolina kitra malagasy. Todin’ny Coach Roro tany amin’ny manasa-dalan’ny tompondakan’i Afrika na CHAN koa aza izany ekipam-pirenena izany ny taona 2023 ary nahazo ny laharana faha 3 mihitsy, fa iny novizanin’i Angola 4-1 sy resin’i Comores 1-0 tamin’ny fiadian-toerana omaly iny. Niverina nahazo medaly volamena koa nandritry ny lalaon’ny nosy taorian’izay saingy fantatra efa ela ny lesoka sy olana fa odiana fanina hatrany, raha fintinina ireo fanehoan-kevitry ny mpankafy baolina kitra eto an-toerana sy mpanohana izany mpanjakan’ny fanatanjahantena izany! Totorebika tsy nisy toy izany no niainana ny taona 2018, indrindra moa ny 2019, raha nahazo ny tapakila voalohany nandraisany anjara tamin’ny dingana famaranan’ny amboaran’i Afrika na CAN 2019 tany Egipta ny Barea ary avy hatrany dia tody tany amin’ny ¼-dalana niaraka tamin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Izany ka tena fisandratana na «émergence» aminy, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olompirenena ary na tsy mpankafy izany atao hoe baolina kitra izany aza lasa niara-nientana ho azy tamin’ny mpiray tanindrazana taminy nampaneno sarom-bilany eraky ny arabe. Tsy nisy izay tsy nahatsikaritra taorian’izany fa niha nidiran’ny mpanao politika hatrany ilay raharaham-panatanjahantena tokony efa niova famindra efa ela. Ny filoham-pirenena mihitsy no nampitandrina ireo tomponandraikitra sasany teo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra tamin’izany hoe «fantatray ianareo!». Tsy afa-nametraka ny tena paikadiny hampivoarana ilay ekipam-pirenena ny mpanazatra Eric Rabesandratana. Hita ihany koa rehefa nandimby azy ny fetran’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Roro. Ankehitriny dia iaraha-mahalala fa solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika miaradia amin’ny fitondràm-panjakàna no mitantana ny federasionin’ny baolina kitra na FMF ary saika mpiaradia amin’izany loko politika izany ihany koa ny akamaroan’ny mandrafitra azy hatrany amin’ny fitantanana ny ligy sy ny fifaninanam-pirenena eto amin’ny firenena. Mbola jabahan’ny loko sy firehana politika hatrany ny fitantanana ny baolina kitra. Hisy amboara eran-tany 2026 azo antenaina handraisana anjara voalohany amin’izany ve na fandraisana anjara fanindroany amin’ny CAN indray? Ny resaka fanomanana ireo taninketsa sy fampivoarana ny fifaninanam-pirenena, indrindra, ho an’ireo klioba heverina ho efa tokony matihanina eto an-toerana moa tsy hita intsony ny ilazàna azy. Mbola marary ny baolina kitra malagasy. Fantatra efa ela ny lesoka sy olana fa odiana fanina hatrany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT